Finoana

Pasitera Radimilahy Joseph Tsy ny sitrapon’ny mpanao politika intsony no hanjaka eto


  • Talata 03 Martsa 2015

Tsy ny sitrapon’ny mpanao politika intsony no hanjaka eto Madagasikara fa ny sitrak’Andriamanitra, hoy ny pasitera Radimilahy Joseph filoha mpanorina ny fifohazam-panahy ara-tsoratra Masina na FFPSM etsy Madera Namontana Anosibe.

 

 Izao zava-drehetra miseho  eto amintsika izao , hoy izy, dia manambara fa  Andriamanitra amin’izay no handrindra an’ity Nosy ity. Efa tena manomboka amin’ny fahatanterahana mihitsy ankehitriny, araka ny filazan’ity pasitera ity, ny fahitana nasehoan’Andriamanitra taminy. Raha tsiahivina kely, hoy izy, dia efa nanomboka tamin’ny fitondrana tetezamita tamin’ny novambra 2012 no nahazo fahitana avy amin’Andriamanitra aho.

Mila mibebaka ny rehetra

Vao maraina mbola maizin’andro ary mbola teo am-pandriana ny tenako no nahita lehilahy somary efa zokiolona niditra ho eo amin’ny fitondrana an’i Madagasikara. Tahaka ireny olona torana ireny aho tamin’izany ka tsy fantatro mazava ilay endrik’olona tamin’izany. Tamin’ny taona 2013 taonam-pifidianana, nisy fanoratana anarana nataon’ireo nirotsaka ho kandidà ho filoham-pirenena ka teo vao fantatro ilay lehilahy efa zokiolona nasehoan’Andriamanitra tamin’ny fahitana izay tsy iza fa ny Dr Jean Louis Robinson izay notohanan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa efa sitrapon’Andriamanitra izany. Ny 16 desambra hifoha 17 desambra 2013 ihany anefa dia nasehoan’Andriamanitra tamiko avy amin’ny nofy  fa avy amin’ny loko volom-boasary no hitondra  eto nefa tsy haharitra eo amin’ny fitondrana. Mazava ho azy araka izany, hoy ny pasitera Joseph, fa dia ilay olona voalazan’ny faminaniana ny ho avy hitondra eo ka io no hanomana ny fifidianana filoham-pirenena manaraka tena izy. Ka miantso ny mpano politika rehetra aho, hoy izy, mba hibebaka sy hifona amin’Andriamanitra ka hifamela heloka sy hihavana ary ny vahoaka rehetra kosa dia mba hibebaka  sy hibanjina an’Andriamanitra.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • LĂ©on XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT