Finoana

Pasitera Mailhol Notoloran’ny fanjakana mariboninahitra


  • Alakamisy 22 Desambra 2016

Notolorana ny mariboninahitra « Commandeur de l’ordre national Malagasy” tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina i Pasitera Mailhol na André Christian Dieu Donné omaly.

Nosantarina tamin’ny lanonana ara-pivavahana ny lanonana. Maro ireo mpino ao amin’ny fiangonana Apokalipsy nanotrona ny lanonana satria sambany teo amin’ny tantaram-pirenena no nisy mpitondra fivavahana amina fiangonana zandriny nosalorana mariboninahitra ambony toy izao. Niresaka momba ny raharaham-pirenena ny tenany taorian’izay. Tsy tokony hotezaina amin’ny fitsaram-bahoaka ny vahoaka Malagasy satria mety hiteraka adim-poko eto amin’ny firenena izany, hoy izy. Mety hisy ny famaliana faty hataon’ny foko anankiray raha sendra ny fitsaram-bahoaka ny olona iray avy ao aminy. Rehefa ny vahiny dia haingana ny fandraisan’andraikitra, toy ny fitsaram-bahoaka tany Nosy be, ka nisy ny fisamborana ary voatazona ireo tompon’antoka. Mitarazoka kosa ny fandraisan’andraikitra rehefa Malagasy no lasibatra mba tsy hilazana hoe tsy misy. Nilaza ity mpitondra fivavahana ity fa tokony hampitoviana ny Malagasy sy ny vahiny fa tsy atao fitondrana mitanila. Teo am-pamaranana dia nanamafy ny tenany fa mbola mitombina ny faminaniana amin’ny hametrahana azy ho filoham-pirenena. Mpitondra roa aorian’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia izy no manaraka, raha ny fanazavany, ka izay no tsy nirotsahany ny taona 2013. Nilaza kosa izy fa efa nisy foana ny fisambotsamborana eto amintsika, fa amin’ny fitondrany vao mety tsy hisy intsony.

Toky R./Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT