Finoana

PASITERA MAILHOL Mbola ho mafy ho an’ny Malagasy ny 2022…


  • Alarobia 29 Desambra 2021

Mbola ho mafy ho an’ny Malagasy ny hiatrehana ny taona vaovao 2022 raha araka ny fanazavan’ny pasitera Mailhol, filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy eto Madagasikara tamin’ny mpanao gazety omaly.

 Anisan’ireny ny aretina coronavirus izay efa nambarany ombieny ombieny fa mbola hisy andiany fahatelo ary mbola hiakatra hatrany ny isan’ireo olona ho voany. Toraka izany ihany koa ny fiainana andavanandro izay hiakatra sy hidangana hatrany ny vidin’entana ary ny fihetsiketsehana ara-politika izay nomarihiny fa mbola hitohy hatrany. Ny fitondram-panjakana sy ny vahoaka Malagasy ihany anefa, hoy izy no eran’izany rehetra izany fa ny miteny sy mampita ny hafatra avy amin’Andriamanitra no hany anjarany. Mikasika ny fiakaran’ny vidim-piainana moa dia nomarihiny manokana fa vokatry ny fahapotehana ara-toekarena nateraky ny fanonganam-panjakana tsy niato teto amintsika hatramin’izay no antony fa tsy dia oe tsy fahaiza-mitantan’ny tompon’andraikitra ihany akory. Noraisiny ohatra fa raha 5 Ar ny iray kilao tamin’ny fotsim-bary tamin’ny taona 1965 dia efa mahatratra 4.000 Ar izany ankehitriny.
MIOMBON'ALAHELO AMIN'IREO FIANAKAVIANA NIHARAM-BOINA
Tsy adinon’ny pastera Mailhol nandritra izany ny nitondra ny teny fampiononana sy fampaherezana ho an’ireo fianakaviana nanana ny maty nandritra ilay voina nitranga tany Soanierana Ivongo iny ka nahafatesana olona mihoatra ny 85 isa mahery tao anatin’ilay sambo MS Francia 3. Amin’ny anaran’ny fiangonana Apokalipsy maneran-tany sy izy mivady filoha mpanorina no nanaovany izany ho fiaraha-miory amin’ireo fianakavian’ny maty, izay marihina fa mbola misy tsy hita hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly. Toraka izany koa ny fianakavian’ilay mpamily ny fiaramanidina izay nanavotra ny ain’ireo mpiray tanindrazana ary ka nahatonga azy ho namoy ny ainy ihany koa, niaraka tamin’ilay talen’ny fiarovana teo anivon’ny primatiora. Miombom-po amin’ny fianakavian’izy mirahalahy mianaka ireo ihany koa pastera Mailhol mivady sy ny fiangonana tarihiny. Tsy adinony nandritra izany ny nampahery ny fianakavian’ ireo mpino katolika mihoatra ny 10 izay nilatsaham-potaka tany Tsiroanomandidy nandritra ny fivavahana notanterahina tao am-piangonana tamin’ny sasak’alin’ny Krismasy lasa teo ka namoy ny ainy tsy fidiny. Olona 3 no naratra tamin’izany raha tsiahivina kely ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa.
Pati
Legende : Pastera Mailhol, Filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy eto Madagasikara !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT