Efa nambarako fa ho mafy ny zavatra hitranga manerana izao tontolo izao, ary io tsy tonga amin’ilay hoe ny mpaminany tsy masina an-taniny.
Raha Malagasy no miteny azy tsy misy miraharaha, fa raha vahiny dia toa hafa mihitsy, hoy ny fanehoan-kevitr’i Pasitera Mailhol André Christian Dieu Donné tamina onjam-peo iray omaly, mikasika ilay ambara fa faminaniana vehivavy Brezilianina. Ny nambarako mbola tsy tanteraka dia izaho lasa Filoham-pirenena, ary izao mbola tsy maty ka mbola aza heverina ny hahatanterahan’izany, hoy izy izay naneho fa ilay tsy tanteraka ihany no tsaroan’ny olona. Ny taona 1995 no efa nisy faminaniana hoe hiala ny Filoha Zafy Albert, ary hiverina ny Amiraly Ratsiraka. Niala ihany koa Ratsiraka dia ra mandriaka no nialany teo. Niezaka ny niala tamin’ny ra mandriaka izy satria nahatsiaro ilay faminaniana. Nipetraka ny Filoha Ravalomanana, 7 taona ny teo dia niongana, ary niezaka niala tamin'ny ra mandriaka. Ny faminaniana dia mpitondra roa aorian’i Marc Ravalomanana. Mbola mpitondra roa aloha izao, dia i Hery Rajaonarimampianina sy Andry Rajoelina, hoy ny Pastera Mailhol. Niverina ny faminaniana taty amin’ny taona 2020. Ho maro ny loza hitranga: hisy faty olona marobe, hisy mpitondra ambony ho faty,… hoy izy. Mikasika ny coronavirus, na tany Chine na tany Eoropa na tany Amerika dia tsy rototra ohatrantsika Malagasy tamin’ny voalohany. Tsy hoe vao voany rahateo dia mitsipatsipaka. Ny Pesta sy kôlera misy fanafodiny fa tsy tahaka izany ity coronavirus, hoy ny mpitarika ny Apokalipsy. Nampihazakazaka azy ny resaka fifampikasohana na “cas contact”. Ireny any an-dafy ireny misy iray trano indray maty. Ny ao an-trano mieritreritra fa tsy coronavirus fa mitsabo tena sy mifamindra ao an-trano ao, ary miara ripaka. Isika eto ihany koa, raha ohatra ka tsy voafehy izao, dia sanatria ho 500 na 600 isaky ny fokontany no ho faty, hoy ny pastera Mailhol, izay nanamafy fa ny fihibohana no fanafodiny, na tsy hahavita tahaka ny any amin’ny tany mandroso aza isika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.