Finoana

Pasitera Mailhol Homena mari-boninahitra anio


  • Alarobia 21 Desambra 2016

Lanonambe ny an-dry zareo mpino eo anivon’ny fiangonana Apokalipsy anio. Hosalorana ny mari-boninahitra « Commandeur de l’ordre National » mantsy ny filohany.

 Taorian’ireo jeneraly miisa 62 izay nahazo ny anjara galonany ny alatsinainy teo dia ny pasitera Mailhol na André Christian Dieu Donné indray no hahazo ny azy etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina anio alarobia 21 desambra 2016. Anisan’ny nametraka tantara teto amin’ny firenena tao anatin’ny 20 taona nijoroany ny fiangonana Apokalipsy. Nampalaza an’ny pasitera Mailhol, raha tsiahivina, ilay faminaniany fa tsy maintsy hitondra ny firenena ny tenany. Fotoam-pivavahana goavana hanomboka amin’ny 9 ora sasany no hanombohana ny fotoana mialoha ny hanoloran’ny fitondram-panjakana ny mari-boninahitra. Sambany teo amin’ny tantaram-pirenena no nisy mpitondra fivavahana amina fiangonana zandriny nosalorana mari-boninahitra toy izao.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT