Finoana

Pasitera Mailhol “Hisy fanonganam-panjakana amin’ity taona ity”


  • Zoma 31 Janoary 2020

Nanao fangaraharana momba ny fifandanjana ara-paritra ny filoham-pirenena. Mety iny satria misy Malagasy daholo ny lafivalon’ny Nosy, hoy ny Pasitera Mailhol Christian Dieu Donné, raha nalaina ny heviny manoloana ny endrika vaovaon’ny governemanta.

 

 

Tsy dia nazava kosa ny resaka fifandanjana ara-politika ao anatin’ny governemanta. Tokony ho noresahina hoe : avy amin’ny antoko iza na iza ireo minisitra. Tsy maintsy niova ny governemanta, ka izay nambara fa nahavita mijanona ary izay tsy nahavita miala. Tokony hazava ihany koa anefa inona no nanasorana ireo teo aloha? Inona no tsy vitany? Inona no vitany ka antony hitazonana ny hafa? Tokony hazava amin’ny vahoaka avokoa ireo vita sy tsy vita hahafahany mahatsapa hoe lojika raha nesorina na notazonina ny minisitra iray, hoy I Pasitera Mailhol. Nambarany fa mbola ho mafy ny zavatra hitranga amin’ity taona 2020 ity na iraisam-pirenena na eto Madagasikara: loza voajanahary, lozam-piaramanidina, horohorontany, lafiny ara-politika, hisy mpitondra fanjakana malaza hiongana, hisy mpitondra fanjakana sy mpanao politika malaza ho faty,… Raha ny eto manokana dia ho mafimafy ny resaka politika. Hisy fanonganam-panjakana hipoitra amin’ity taona ity, hoy izy. Nambarany fa hatramin’izay nisian’ny fitondrana teto tsy mpanohitra izy, kanefa atahoran’ny fanjakana. Mba nandefa “CV” fa tsy hitany. Na izany aza izahay tsy mpanongam-panjakana fa diso adversera ny fanjakana, ary izahay tsy hanampy amin’ny fanonganam-panjakana ho avy eo fa tsy fomban-drazan’ny Apokalipsy izany, hoy izy. Tsy lojika hoe avy ao anatiny no hanongana fa ny mpanohitra, ka raha mahay miaro tena izy tsy ho voaongana, fa raha tsy izay dia hirodana, hoy i Pasitera Mailhol.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT