Nety tamin’ny ankapobeny ny fomba nanendrena ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny governemanta, hoy pastera Mailhol raha ny resaka fandrindrana isam-paritra no jerena.
Tsy nety kosa ny fandrindrana ara-politika. Maro ireo antoko politika tsy nahazo toerana toy ny GFFM izay nomarihiny manokana fa tsy tafiditra ao anaty governemanta na dia nandefa antontan-taratasy tany amin’ny mpitondra aza nandritra ny fikarohana ireo tena atidoha. Ankoatra izay dia anisan’ny lesoka ary tokony ho natao mangarahara ihany koa ny mikasika ireo mpikambana teo anivon’ny governemanta nalana sy ireo mbola notazonina. Izany no tena fahamarinana, hoy hatrany ity pastera ity. Nilaza ny heviny ihany koa izy mikasika ny fitakiana ny îles eparses. Nomarihiny manokana fa raha tena tia tanindrazana ny mpanao politika dia miantso sy mitaona ny vahoaka isan-kerinandro mba hilanja sorabaventy sy hanao fihetsiketsehana manoloana ny masoivohon’i Frantsay eto amintsika. Tsy midika ho fanonganam-panjakana mihitsy izany raha araka ny fanazavany saingy manamafy ny zo hananan’ny Malagasy ny maha tompony azy ireo ny îles éparses mba ho hitan’ny firenena maneran-tany. Nisy ny fotoam-pivavahana notarihin’ity filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy ity teny Antsahamanitra ny faran’ny herinandro teo ka niarahaban’ireo mpino avy ao amin’ny distrika Atsinanana azy mivady noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2020.
Marigny A sy Patricia R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.