Finoana

Pasitera Maihol Ny fodian-dRavalomanana no vahaolana hialana amin’ny krizy


  • Alarobia 17 Septambra 2014

Mila mihavana ireo filoha mifandimby dia mivaha ho azy ny krizy eto amin’ny firenena, araka ny fijerin’ ny pasitera Mailhol azy

. Laharam-pahamehana amin’izany ny  fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Raha tsy manana finiavana ara-politika anefa ny filoha Hery Rajaonarimampianina dia sarotra ny hahatanteraka izany, araka ny fijeriny. Tsy hirotsaka anefa, hoy izy, ny famatsiam-bola raha tsy izay fampihavanana azy dimy mirahalahy izay no tanteraka. Olana ara-bola, hoy ihany izy, no mampikatso ny raharaham-pirenena toy izao koa mila mandray fanapahan-kevitra ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nambarany fa vonona hanoro hevitra ny fitondrana izy raha ilaina izany. Tafa ho an’ny mpanao gazety tany Ambatondrazaka no nanehoany ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena io. Izao indray izany vao nifoha tamin’ny torimasony ny pastera Maihol ary miresaka politika, ka manamafy fa tsy mivaha ny krizy raha tsy tanteraka ny fampihavanana tena izy eo amin’ireo filoha nifandimby teto, ka dingana voalohany amin’izany ny famelana malalaka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mba ho eto Madagasikara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT