Finoana

Pasitera Lanto Rabeharivelojaona “Mpitondra tena Kristianina no ilaintsika.”


  • Alatsinainy 08 Mey 2017

Mitohy maneho ny heviny hatrany mikasika ny fahitany ny raharaham-pirenena, ny pasitera Lanto Rabeharivelojaona, mivondrona ao anatin’ireo mpanao politika mitaky ny hisian’ny fanorenana ifotony eto amin’ny firenena.

 Raha ny fanazavany dia tokony hanao politika ny mpitondra satria hita ao anatin’ny tenin’ny soratra masina (I Kor 12:28) fa tena baikon’Andriamanitra mihitsy amin’ny kristianina ny fitondrana fanjakana. Ny fanahy no olona, hoy ny fahendrena Malagasy, ary mitombina amin’ny Kristianina izany, raha ny fiheverany. Tsy toe-tsaina no ilaina ovana fa toe-panahy satria adin’ny fanahy ratsy sy fanahy tsara no misy. Na efa nomena an’i Jesoa Kristy aza, hoy izy, ny fahefana rehetra dia mbola midongy foana io fanahy ratsy ary izany no mahatonga ny raharaham-pirenena ho toy izao. Mila mpitondra tena kristianina isika, izany hoe, nandray an’i Jesoa Kristy ka manana fanahy masina raha te hivoaka, hoy ny fanazavany.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT