Finoana

Pasitera Heritiana “Tsy fahotana ny fananganan-tsaina sy mihira hiram-pirenena”


  • Alarobia 01 Martsa 2023

Resabe tsy mety vita ilay disadisa misy eo amin’ny fiangonana zandriny iray any Alakamisy Itenina Fianarantsoa sy ny sekolim-panjakana Ceg sy lisea any an-toerana mikasika ny fanoheran’ireo zanaky ny mpino mianatra ao

amin’ireo sekoly ireo ny fananganan-tsaina, hetsika fanao isaky ny Alatsinainy maraina. Naneho ny heviny mifandraika amin’izany pastera Heritiana Randriarimalala omaly ka nambarany fa tsy fahotana angamba ny manangan-tsaina sy ny fihirana ny hiram-pirenena. Tsy midoika ho fanompoana ny firenena izany hoy izy fa mbola misy tonom-bavaka aza ao anatin’ny hiram-pirenena ao ho fangatahim-pitahiana ho an’ny tanindrazana.Na dia tamin’ny andron’ny Israely aza mantsy hoy izy dia nisy ny fanjakana ary nanana ny fiandrianany izany fanjakana izany toy ny fanjakan’i Davida…. Ho antsika eto Madagasikara manokana dia nambarany fa mbola fanjakana Laika izany hoe : azo lazaina ho malalaka ihany fa raha any amin’ny firenena Arabo kosa dia notsindriany manokana fa tsy maintsy manaraka izay didy hapetraky ny fitondram-panjakana ny mponina sy ny mpitondra fivavahana ao aminy. Tsy tokony hiteraka olanabe araka izany ho an’ny pastera Heritiana ny fampiarahana ny fombam-pivavahana sy ny fombam-piaraha-monina izay samy mahasarotiny ny tsirairay avy. Tsy mbola any an-danitra mantsy isika mianakavy hoy izy fa samy miaina eto an-tany avokoa.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT