Pasitera Heritiana

« Tsy afa-manoatra ny vahoaka fa izay tian’ny mpitondra io »


  • Alakamisy 18 Jolay 2024

Tsy misy izay tsy mitaraina ny rehetra manoloana ny fiverenan’ny Praiministra lehiben’ny governemanta Ntsay Christian

amin’ny toerany indray noho ny tsy fahambiazana efa nisy teo aloha. Rehefa nanontaniana ny mikasika izany Pastera Heritiana Randriarimalala dia nambarany fa izay tian’ny mpitondra ihany io. Samy manana ny tombontsoa tiany hotratrarina mantsy ny tsirairay hoy izy ka tsy izay tian’ny vahoaka no hatao fa izay tiandry zareo. Toraka izany ihany koa ny fanendrena ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta. Nambarany fa izay tian’ny mpitondra ihany no mbola ho mpikambana ao anatin’izany na ireo vaovao na ireo efa niasa teo aloha. Mbola ry zareo mantsy no eo amin’ny Fitondrana hoy izy dia izay mety aminy no hataony. Miantso ny vahoaka mba tsy himonomonona izy noho izany fa hanana fitoniana ary hivavaka hatrany ho an’ny firenena.
Pati
Legende : Pastera Heritiana filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT