Finoana

Pasitera Heritiana Mila mibebaka ny Malagasy


  • Alakamisy 26 Janoary 2023

Tena mila mibebaka ny Malagasy hoy Pasitera Heritiana omaly rehefa nandinika ny mikasika ny voina lalovan’ny firenena ankehitriny ny tenany.

Hatreto mantsy dia efa tafakatra 8 ireo namoy ny ainy raha miisa 17 ireo tsy hita popoka. Tafakatra 43.000 isa mahery kosa ireo traboina. Tsy afaka hilaza aho hoy pastera Heritiana Randriarimalala na kapoka na tsy kapoaka no mahazo ny firenentsika fa ny hany maharesy lahatra ahy dia mila mibebaka ny Malagasy. Betsaka mantsy hoy izy ireo firenena lalovan’ny voina tahaka izao isan-taona saingy tena kofona ny Malagasy. Tapaka ny lalana, midangana ny vidim-piainana, miakatra ny rano…. ary tena mila tsy ho zakan’ny sasany intsony. Mbola misy ihany anefa hoy ity pastera ity ireo mahavita maniratsira sy manao tsinontsinona an’Andriamanitra indrindra fa ao anatin’ny tambajotran-tserasera facebook, tranga izay tokony hibebahana tokoa. Nomarihiny moa fa ny fiverenana amin’Andriamanitra ihany no hany vahaolana ho antsika Malagasy. Nitondra teny fampiononana ho an’ireo fianakaviana nanana havana namoy ny ainy moa ity pastera ity omaly no sady nampahery ireo rava fananana ihany koa.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny trano fivavahana Vahao ny oloko !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT