Finoana

Pasitera Heritiana Mety kapoka avy amin’Andriamanitra izao


  • Alakamisy 24 Febroary 2022

Ankoatra ny maha-loza voajanahary azy dia mety ho fanairan’Andriamanitra ny olona mba hitodika sy hivavaka Aminy ihany koa ny fisian’ny rivo-doza mandalo


 eto amin’ny firenena tahaka izao raha araka ny fanazavan’ny pastera Heritiana Randriarimalala. Ny rivo-doza mantsy hoy izy dia mandalo fa ny zavatra entiny dia faharavana, hanoanana, fahantrana…eo amin’ny faritra na firenena izay lalovany antony tena tokony hitodihan’ny tsirairay amin’Andriamanitra ka hangatahana ny famindrampony. Mety ho kapoka ihany koa anefa ny rivo-doza hoy hatrany ity mpanompon’Andriamanitra ity ka tsy misy afa-tsy ny vavaka ihany no tena vahaolana mahomby. Miantso ny rehetra mba hivavaka sy hifona amin’Andriamanitra ho an’ny firenena Malagasy araka izany Pastera Heritiana amin’izao fandalovan’ny rivo-doza Emnati eto amintsika izao izay fantatra fa mahery sy lehibe lavitra noho ilay rivo-doza Batsirai. Ho an’ny fiangonana Vahao ny oloko izay tarihiny manokana dia fantatra fa vavaka mafy no tena hasandratr’izy ireo amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao mba ho raha eny am-pandehanana izany hilaminan’ny mpiray tanindrazana.
Pati



 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT