Pasitera Heritiana_Fiainan-tokantrano

« Tsara raha mitovy finoana ny mpivady »


  • Alakamisy 13 Jona 2024

Lasa miteraka olana goavana eo anivon’ny tokantranon’olon-droa amin’izao ny resaka finoana.

Samy mikiry ny milaza ny azy ho marina ny tsirairay hany ka tsy misy fiainam-banona fa mihafara amin’ny fisarahana hatrany rehefa tsy mahay mifandefitra. Ny tena tsara sy mety hoy Pastera Heritiana hisorohana izay fahavaran’ny tokantrano izay dia mitovy finoana ny mpivady. Raha tsy mihinan-kisoa ny iray dia tokony tsy hihinana koa ny iray. Raha mahavita mandefitra sy manana fanetren-tena lalina hijanona amin’izay kosa anefa ny iray hoy izy dia tena mety izany. Fa tsy maninona koa hoy Pastera Heritiana raha samy tsy mpivavaka nefa samy tsara toetra ny olon-droa mivady. Tsy voatery ho tsara toetra mantsy rehefa mpivavaka hoy hatrany izy. Ho an’ny Pastera Heritiana manokana moa dia nosinganiny fa ara-panahy ny fiainana ka tsy tokony hatao ambanin-javatra raha tiana haharitra sy ho tsara fihafara ny tokantrano iray.
Pati
Legende : Izy no Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT