Finoana

Pasitera Fabrice Rabenjarisolo “Tsangambaton’ny teny Malagasy ny baiboly”


  • Alatsinainy 22 Jona 2020

Feno 185 taona katroka omaly alahady 21 jona ny baiboly Malagasy izay zokiny indrindra aty Afrika tamin’ny fandikana azy tamin’ny tenim-pirenena. 55 taona kosa ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy na ny FMBM.

 

 

 

 

Ny baiboly no tsangambaton’ny teny Malagasy, boky anankiray nitahiry ny teny Malagasy sy ny fivoarany ihany koa, hoy ny Pasitera Fabrice Rabenjarisolo Talen’ny FMBM. Mampiavaka ny firenena iray rahateo ny fananany teny izay ampiasainy. Boky voalohany vita printy amin’ny teny Malagasy, ary anisan’ny niainga teo no nahafahantsika nijery ny fanatsarana sy ny fampivoarana ilay teny, hoy izy. Vinan’ny FMBM ny hoe: “Madagasikara heniky ny fahalalana an’i Kristy amin’ny Soratra Masina”, dia ny fiantraikan’ny atao hoe hery na fahefan’ny tenin’Andriamanitra hitondra fiovana ho amin’ny tsara eo anivon’ny taranaka faramandimby, hoy izy. Antom-pisiana voalohan’ny FMBM noho izany ny mandika ny baiboly amin’ny fiteny azon’ny olona satria arakaraky ny hoe akaikin’ny fon’ny olona ilay teny voalazan’ny Soratra Masina dia mora kokoa no mandray sady miaina azy. Vokatr’izay dia ny fandinkana ny tenin’ny Soratra Masina amin’ny teny akaiky ny olona no isan’ny fanamby izany hoe ny fitenin’ny faritra. Tsy mbola nandika azy amin’ny fitenim-paritra hoe efa nahavita, fa ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana krisitianina sy ny fiangonana no isan’ny anton’ny fahatanterahan’izay. Misy, ohatra, ny Baiboly amin’ny fiteny Betsileo, izay fiaraha-miasan’ny Fiangonana Protestanta na ny FJKM no nahatanteraka an’iny. Efa miainga ihany koa ny fandikana izany amin’ny fiteny amin’iny faritra atsimon’i Madagasikara iny.

 

 “Fisedrana mavaivay no novakivakian'ny asa fandikana, fanontàna ary ny fampielezana ny Baiboly tao anatin'izay 185 taona izay. Tsy tamin'ny andron-dRanavalona I ihany izany. Asa fanarenana mankadiry no natrehana”, hoy kosa ny Talen’ny FMBM teo aloha.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT