Finoana

Pasitera Benjamina Sazy mihantona telo volana no azony.


  • Talata 05 Aogositra 2014

Aleloia!!!, Hosana!!! Amen!!!... Io no teny re teny amin’ny fitsarana. Nivoaka teny Anosy omaly alatsinainy tokoa mantsy ny valim-pitsarana mahakasika an’i Pasitera Benjamina. Telo volana sazy mihantona no azony .

Raha tsiahivina dia nisy ny fitoriana maromaro mahakasika azy ao amin’ny fiangonana zandriny ho mpisoloky, manala baraka ary mpibodo fananan’olona. Marihina fa olona mpivavaka tao amin’ny fiangonana notantaniny ihany ireto nitory azy ireto teo aloha saingy niala noho ny tsy fifanarahana. Anisan’ny tena hanenjahan’ireto farany azy ny fitakiana vola an-kolaka amin’ny alalan’ny ampahafolon-karena, ny fanozonana ary ny fibodoana tany tsy ara-dalàna. Miisa telo ny voapanga  tamin’ity raharaha ity dia izy sy ny vadiny ary mpivavaka iray tao amin’ny fiangonana. Nilaza ny mpitory fa mety aminy ny  didy navoakan’ny fitsarana.
Tsy dia ny hampigadra loatra mantsy no tanjona fa ny
fahafantaran’ny eo anivon’ny mpitondra fanjakana sy ny fitsarana ary
ny vahoaka  fa tsy nety ny nataon’i pastera Benjamina. Marihana fa mbola afaka mampiakatra fitsarana ambony ny mpitory raha ka manana folo andro izy ireo hanatanterahana izany. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT