Finoana

Pasitera Benjamina Nifamela heloka tamin’ireo niady taminy


  • Alarobia 03 Septambra 2014

Araka ny vaovao azo tamin’Atoa Razafimanantsoa Vincent de Paul izay olona tsy miandany na amin’iza na amin’iza fa niezaka nanelanelana ny raharaha nifanolanan’ny Pasitera Benjamina sy ireo mpino niala tao aminy, dia fantatra fa nifamitram-pihavanana ny roa tonta ary dia efa eo

an-dalam-panarahana ireo dingana rehetra amin’izay nifanarahana tamin’io
fifamelan-keloka rehetra io amin’izao fotoana ny rehetra. Fantatra  fa nifanatona efa hatramin’ny zoma ny roa tonta ary mbola nisy ny fihaonana ny alatsinainy lasa teo, ka nifanarahana tamin’izany fa samy hisintona ny fitoriany avy na ny tany Fianarantsoa na ny
teto Antananarivo. Niaiky ny an-daniny sy ny ankilany  fa  ray aman-dreny sy zanaka nifampitaiza sy nifampitondra hatry ny ela ka rariny raha mifandefitra sy mamitram-pihavanana.
Efa misy drafitra maro ao anatin’izany, hoy hatrany ity loharanom-baovao ity. Ny tany tao Fianarantsoa kosa dia fantatra fa nifanarahan’ny roa tonta fa haverina amin’ny tompony mba tsy hisian’ny disadisa sy tena hipetrahan’ny fihavanana sy fifamelan-keloka tokoa. Araka ny fantatra dia mbola hisy ny fotoana hiarahan’ny roa tonta hitafa mivantana amin’ny mpanao gazety hanambarana ofisialy izao fifamitranam-pihavanana izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT