Finoana

Papa Ray Masina Ny zoma 6 septambra no ho tonga eto Madagasikara


  • Talata 06 Aogositra 2019

Araka ny fampitam-baovaon’ny solontenan’ny Papa Ray Masina eto Madagasikara sy ireo Eveka ary pretra sy laika mpanomana ny fahatongavan’ny Papa Ray François omaly teny amin’ny Nonciature Ivandry,

 

 

 

 ny  zoma 6 septambra amin’ny 4 ora sy sasany tolakandro no higadona  eny Ivato ny Papa Ray Masina. Hihazo ny Nonciature Ivandry avy hatrany izy aorian’ny fandraisana. 

 Ny marainan’ny sabotsy  7 Septambra izy no hihaona amin’ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao politika, ny fiarahamonim-pirenena ary ireo Masoivoho eto Madagasikara. Hiara-kivavaka amin’ireo relijiozy mihiboka izy aorian’izay eny amin’ny karmelita Ampasanimalo. Arahin’ny dinika manokana eny Andohalo amin’ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara sy handraisany ny filohan’ny FFKM. Hitohy amin’ny fitsidihiny ny taolambalon’ny olontsambatra Victoire Rasoamanarivo eo Andohalo ihany.  Hifarana amin’ny  fifampizarana hafatra sy vavaka amin’ny tanora tanora eny eny Soamandrakizay amin’io sabotsy alina io.

Lamesa Soamandrakizay sy  asa soa Akamasoa

Aorian’ny fitetezana ireo mpivavaka amin’ny fiara, hitarika ny Sorona Masina eny Soamandrakizay ny Papa Ray Masina ny alahady 8 Septambra amin’ny 10 ora maraina izay fiakaramben’ny kristianina sy ny olom-pirenena tsara sitrapo 800 000 mahery. Aorian’ny Sakafo atoandro dia hitsidika ny Akamasoa Andralanitra izay karakarain’i Mopera Pedro,  iray fiaviana aminy samy avy any Argentine ny Papa. Hiakatra eny amin’ny kariera fakana vato eny Mahatazana ny Papa ka hihaona amin’ireo mpikapo-bato ary handray ireo solontenan’ny Fivavahana Silamo eto Madagasikara.

Aorian’izay hizotra hihazo ny kolejy Masina Misely Amparibe ny Ray Masina ka hihaona amin’ireo mpitondra fivavahana katolika sy mpiomana ary ireo pretran’ny Zezoita izay iray fikambanana aminy.  Hihazo an’ny Nosy Maorisy izy ny alatsinainy ary hipody eto Madagasikara ihany ny alina an’io. Ny talata maraina no hanainga eny Ivato ny Papa hihazo an’ny Roma.

Haja Nirina

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT