Papa Léon XIV

Nitondra hafatra sy fankaherezana ho an’i Madagasikara


  • Alarobia 11 Martsa 2026

Nandray anjara tamin’ny

fifanakalozan-kevitra tao amin’ny Saint-Siège ny filohan’ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, izay natao hanadihadiana ny fiainan’ny Fiangonana sy ny zava-misy ara-tsosialy sy ara-politika eto amin’ny firenena. Araka ny tatitry ny vaovao avy any Vatican, naneho mivantana ny toromarika ho an’ireo eveka malagasy i Papa Léon XIV, nanazava ny fomba tokony hanatanterahan’ny Fiangonana ny iraka maha-izy azy eo amin’ny toe-javatra misy ankehitriny. Nifantoka tamin’ny lafiny maro ny resaka: ny fanao ara-pinoana, ny fandraisan’anjaran’ny Fiangonana eo anivon’ny fiarahamonina, ary ny zava-misy iainan’ny nosy. Araka ny fanamarihan’ny Père Séraphin Rafanomezantsoa, mpandrindra ny Fivondronamben’ny Eveka, dia “salama tsara ny Fiangonana eto Madagasikara”, ary hita taratra ny herim-batana sy ny fahavitrihan’ny fiarahamonina katolika manerana ny tany. Notsiahivina ihany koa ny loza nateraky ny rivodozatmToky Fytia, izay namely ny avaratra-andrefan’ny nosy herinandro vitsy lasa izay ka niteraka fahapotehana sy tondra-drano. Eo am-panaovana ny asa fanarenana ny firenena, ary mbola mitohy ny hetsika feno fitiavana sy firaisankina ho fanampiana ireo fianakaviana tra-boina. Eo amin’ny sehatra politika, nilaza ny Père Rafanomezantsoa fa mbola ao anatin’ny filaminana somary marefo i Madagasikara. Nampahatsiahivin’ny Fiangonana fa ilaina ny fifidianana azo itokisana sy demokratika, ary ny fanavaozana maharitra ny firenena dia mitaky fotoana lava sy faharetana. Namarana ny fihaonana tamin’ny hafatra feno fanantenana ho an’ny mpino malagasy i Papa Léon XIV, nanentana azy ireo mba hiaina sy hampiely izany fanantenana izany, na eo amin’ny fiainana andavanandro na eo amin’ny fiarahamonina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT