Finoana

Papa Fransoa sy ny fivondronamben’ny Eveka “Aoka ianareo ho akaikin’Andriamanitra sy ny mahantra”


  • Alatsinainy 09 Septambra 2019

Nanitrikitrika ny Papa Fransoa raha nihaona tamin’ireo Eveka ny hanatona akaiky ny Tompo sy ny sahirana.

 

“Aoka ianareo Eveka ho akaikin’Andriamanitra sy ny mahantra”. Io no hafatry ny Papa

tamin’ireo Evekan’i Madagasikara, teo amin’ny Katedraly Andohalo, ny sabotsy tolakandro teo.

Miompana amin’ny tenin’i Kristy “izay ataonareo amin’ireny madinika ireny dia ataonareo amiko” io hafatry ny Papa io. Izany no anisan’ny nanokanany fotoana nihaonana tamin’ny Mompera Pedro, Pretra teratany Argentine izay iray fiaviana aminy, omaly tolakandro teny amin’ny Akamasoa. Tsiahivina fa tsy misy valaka tamin’ny fiainan’io Momperan’Andralanitra io ny nataon’ny Papa fony izy Pretra sy Arseveka ary Kardinaly tany Argentine. Na efa eveka aza izy tsy nitondra fiara manokana fa nandeha taksibe sy an-tongotra ary mividy sakafo sy miara-mihinana amin’ireo tsy manan-kialofana eny an-dalana. Fony vao voafidy ho Papa izy dia tsy nety nandeha fiara manokana fa niaraka fiara tamin’ireo kardinaly rahalahiny. Nitsitsy izy hanasoavana ny mahantra sy hitsinjovana ny fiangonana maneran-tany. Misy amin’ireo Eveka Malagasy no mahafoy amin’ny asa soa ho an’ny mpino. Ohatra ho an’ny mpitondra fanjakana hatrizay koa izay milaza fa mitsitsy hatrany nefa tsy hita soritra hoe nankaiza ireo vola notsitsiana.

 

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT