Finoana

Papa Fransoa Niantso fanamaivanana ny trosa


  • Talata 14 Aprily 2020

Fiainan` ny olona an-tapitrisany no niova tampoka nandritra ny herinandro maromaro noho ny valanaretina “coronavirus”.

 

 

 

 

 Ho an` ny sasany, fotoana hieritreretana ny fiainany ny fijanoana an-trano, hakàna aina manoloana ny rotorotom-piainana, hanararaotana ny fanamafisanana ny fiainan-tokantranony, hoy ny Papa Ray Masina Fransoa. Ho an` ny hafa, dia manahy ny hoaviny amin` ny asany noho ny krizy ara-toekarena. « Mamporisika ireo tompon'andraikitra ara-politika aho mba hiasa mafy ho tombontsoan` ny rehetra. Mba hanao izay fomba rehetra na eo amin` ny fitaovana mba ahafahan` ny vahoaka miaina an-kahalalahana indrindra aorian` ny fiatrehana ny aretina”. Tsy fotoanan` ny fanavakavahana sy fanilihana intsony izao satria ny rehetra no mijaly ka tsy maintsy miray hina miatrika ny “coronavirus”. Tsy azo atao no mamela ireo mahantra tsy hisakafo sy tsy hanan-kohanina satria maro ireo sehatra naato. Toy izany koa ny fanafody, indrindra ny fanamorana ny fiantohana ara-pahasalamana sahaza. «Manoloana ny zava-misy, miantso ny iraisam-pirenena aho hanala ireo sazy samihafa amin` ireo firenena voakasika izany sy hanampy ny mpiara-belona amin` ny fanohana isan-karazana. Miantso ireo sehatra iraisam-pirenena hatrany mba hanamaivana ireo trosa an` ireo firenena marefo ». Nanamafy ny Papa Fransoa fa tsy fotoanan` ny fitaivan-tena na koa ny fisarasarahana izao.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT