Finoana

Papa Fransoa Nandao an’i Madagasikara omaly


  • Alarobia 11 Septambra 2019

Nandao tanteraka an’i Madagasikara omaly talata 10 septambra ny Ray masina Fransoa, hitodi-doha ho any Vatikana any Rôma.

 

 

Tamin’ny 09 ora sy sasany maraina katroka no niainga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny fiaramanidina  Airbus 340 nitondra azy izay an’ny kaompania ana habakabaka malagasy Air Madagascar. Raha tsiahivina kely dia tany amin’ny Nosy rahavavy Maorisy no namaranan’i Papa Fransoa  tanteraka ny fitsidihana Apostolika faha-31 nataony. Afak’omaly izy no nitarika lamesa lehibe tany an-toerana, izay natao tao Port Louis, ary niverina teto Madagasikara tamin’io ihany. Tsara ny manamarika fa  firenena miisa 49 hatreto  no notsidihin’i Papa  hatramin’ny 2013 nahateo amin’ny fipetrahana masina azy. Isika eto Madagasikara no faha-48 tamin’izany tao anatin’ity fitsidihana Apostolika faha-31 ity. Maro moa ireo  olona nitanjozotra vao maraina nanamorona ny lalana nizorany niala teny amin’ny Nonciature Ivandry, nandalo ny lalam-baovao Tsarasaotra nihazo  ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT