Sambany hatramin'ny taona 2105 no hiverina aty Afrika ny Papa Fransoa. Manomboka amin'ny 4 -10 septambra 2019 ny fitsidihana hataony dia i Mozambika, Madagasikara ary Maorisy.
Hanantitrantitra ny momba ny fahantrana sy ny ady amin'ny kolikoly izy ary hiantso filaminana sy zotom-pinoana. Mandritra ny fitsidihana faha-31 ivelan`i Italia dia i Mozambika (lah. faha-07) sy Madagasikara (lah. faha-05), anisan`ny mahantra indrindra maneran-tany no nofidiany. Ny antsasaky ny Mozambikanina dia miaina ao anaty fahantrana tanteraka (latsaky ny 1,90 dolara isan’andro). Tahaka izay koa ny ¾ ny Malagasy. I Maorisy kosa no an-dalam-pandrosoana raha 10%-n`ny mponina ao aminy no miaina anaty fahantrana. Hiompana amin`ny teboka miisa telo ny tena vontoatin`ny diany dia ny fahantrana, kolikoly ary ny sotasotam-piarahamonina. Ho an’ny ao Maorisy, ohatra, dia noho ny fialan`ny filoham-pirenena teo aloha tamin’ny taona 2018, noho ny raharaha kolikoly. Miantso ho amin’ny fahamendrehan`ny rehetra koa ny fitsidihana. Hisy, noho izany, ny fitsidihana ireo akany ho an`ireo olona sahirana toy ny ao Zimpeto-Maputo sy Akamasoa- Andralanitra Antananarivo.
Fifanarahana ara-pilaminana manan-tantara
Ny teboka anankiray tsy maintsy hivoitra mandritra ity fitsidihana ity ihany koa dia ny « filaminana ». Ho an`i Mozambika, ny filaminana dia hiaraka amin`ny fampihavanana sy ny fanantenana. Iray volana lasa izay dia nisy fifanarahana tao amin`ity firenena ity, teo amin`ny governemanta sy ny “ancienne rebellion”, ka hanan-tantara ny fahatongavan`ny Papa any. Io fifanarahana io dia nampiato tanteraka ny ady sivily izay naharitra 20 taona. Ho an`i Madagasikara indray dia momba ny herisetra. An-taonany maro no nisian’ny fitokonana, fikomiana… teto, izay mifandraika amin`ny fahantrana, noho ny krizy politika mateti-pitranga. Ny volana aprily, mey, jona 2018 dia nahitana fidinana an-dalambe, izay nitakiana ny fametraham-pialan`ny governemanta, hirosoana tamin`ny fifidianana filoham-pirenena. Tontosa io ary nanaraka ny fifidianana solombavambahoaka. Mahakasika izay filaminana izay ihany koa ny ny finoana. Sesilany tato ho ato ny asa fampihorohoroana tany Mozambika, nataon’ireo “islamistes”. I Maorisy kosa dia afaka mampiseho ohatra, noho ny fahaizana miara-monina eo amin`ireo “hindous” (50%-n`ny mponina), katolika (25%) ary silamo (1/5).
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.