Finoana

Papa Benoît XVI Maniry ny hisian’ny fitoniana politika sy sosialy eto Madagasikara


  • Alatsinainy 27 Desambra 2010

Nahatsiaro manokana an’i Madagasikara sy ny Malagasy ny Papa Ray Masina, Benoît faha-16 nandritra ny vavaka firariantsoa sy fitsofandrano fanaony ho an’ny tanàna na firenena sy izao tontolo izao (urbi et orbi) amin’ny andron’ny Noely.

Nandritra izany no nirariany ny hisian’ny fitoniana politika sy sosialy eto Madagasikara. Ny Malagasy izay fefiky ny krizy ary i Madagasikara izay malaza ratsy amin’ny fanonganam-panjakana sy ny fandrombaham-pahefana amin-kery hatramin’ny volana martsa 2009, efa roa taona izao, izay niteraka krizy tsy manam-pivahana hatramin’izao, na teo aza ny fanelanelanana teto anatiny, izay efa nandraisan’ireo filoham-piangonana sy fiarahamonina sivily ary koa vondrona politika anjara. Teo ihany koa ny tolo-tanana nataon’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny SADC, izay mbola mitohy ary andrandrain’ny maro hitondra vahaolana amin’izao fotoana izao. Mifanojo indrindra amin’ny hetaheta sy ny fiangavian’ny CNOSC ny hiverenan’ny FFKM amin’ny fanelanelanana indray. Milaza ny mbola hieritreritra sy handinika ny amin’izany ny FFKM, nefa mety handrisika azy ireo handray fanapahan-kevitra ity fanirian’ny Papa Ray Masina tamin’ny 25 desambra teo ity.

Fa nanao antso ny hisian’ny fandriampahalemana maharitra any Côte d’Ivoire, Somalie ary Darfour ihany koa ny Papa Benoît XVI io andron’ny Noely ny sabotsy teo io. Izao fahaterahan’ny Mpamonjy izao anie hanokatra lalam-baovao sy fanantenana hisian’ny fandriampahalemana maharitra sy fampivoarana ho an’ny vahoaka soamalianina, ny ao Darfour sy any Côte d’Ivoire, hoy izy nanoloana ny kristianina an’aliny maro vory teo amin’ny toerana malalaka anoloan’ny Bazilikan’ny Masindahy Piera ao Vatikana ity.
 
Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Ny Papa Benoît XVI teo amin’ny Bazilikan’ny Masindahy Piera ao Vatikana any Rôma, ny 25 desambra 2010
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT