Finoana

Palais des Sports Mahamasina Ho ambohipihaonan’ny mpino FJKM ny alahady izao


  • Alakamisy 14 Janoary 2016

Ho ambohipihaonan’ny mpino FJKM ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina etsy Mahamasina ny alahady 17 Janoary 2016 ho avy izao ho fitondrana am-bavaka ny taom-piasana 2016 sy ny Filohan’ny FJKM, ny Mpitandrina Rasendrahasina Lala mivady sy ny ankohonany.

 

 

Fotoan-dehibe ho an’ny FJKM ity fotoana ity. An-daniny, amin’io no hiombonana hivavahana hametraka eo ambany fitahian’Andriamanitra ireo asa rehetra hataon’ny fiangonana FJKM mandritra ny taom-piasana 2016 ary an-kilany hitondrana am-bavaka ny Mpitandrina Rasendrahasina Lala mianakavy. Haneho fiombonana sy hirodorodo hiaraka hientana hankeny Mahamasina ny kristianina FJKM rehetra amin’io alahady io, hampiseho fiombonana sy hijoro vavolombelona eto amin’ny firenena.


Jean D.         

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT