OZAM-PIFAMOIVOIZANA, FAMONOANA ANKIZY

Mety ho vokatry ny fifamatorana amin’ny fanahy hafa


  • Alakamisy 15 Mey 2025

Nisesisesy tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana teto amintsika ary saika nahafatesana olona hatrany.

Nanomboka ny faramparan’ny volana Aprily lasa teo no nitrangan’izany ka ankizy ny ankamaroan’ireo lasibatra, nivoaka ny toerana nisy azy nanao voyage d’etudes. Rehefa nanontaniana ny mikasika ireny tranga ireny Pastera Heritiana Randriarimalala dia nambarany fa misy lozam-pifamoivoizana foana isan’andro na aiza na aiza toerana misy antsika. Mety ho vokatry ny tsy fitandremana sy ny tandrevaka izany hoy izy nefa mety ho vokatry ny fifamatorana amin’ny fanahy hafa ihany koa. Mety misy olona manao fati-dra amin’ny devoly hoy izy ao anatin’ny taxi-brousse iray ka iny no tiany alaina. Ny mpandeha rehetra ao anatin’ny fiara anefa no lasibatra izay tsy mahalala na inona na inona akory. Mikasika ny famonoana feno habibiana hataon’ny sasany amin’ny ankizy indray dia nambarany fa hatosiky ny fanahy ratsy ireo olona manao izany ka tsy matahotra ny higadra sy ho afabaraka intsony. Ny ankizy no tena tadiavin’ilay devoly hoy izy ary mampiasa olona izy mba hahafahany manatanteraka ny tanjony. Notsiahivin’ny Pastera Heritiana moa fa miankina amin’ny filan’ilay fanahin’ny fahafatesana ny olona tadiaviny. Indraindray hoy izy misy olona maty hatrany ao anatin’ny fianakaviana iray nefa indraindray ihany koa tsy misy mihitsy izany. Rehefa itsy voalohany no mitranga hoy izy dia mandalo izay ny fanahin’ny fahafatesana ary tena mandripaka tokoa.
Pati
Legende : Ny Pastera Heritiana Randriarimalala !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT