Seriny ery omaly ny minisitra Reboza Mahaforona Cyrille raha nanambara tamin’ny televiziona samihafa teto an-drenivohitra fa nomena alalana hanao andrana teknika ny radio sy televiziona vaovaon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra satria tsy miankina amin’ny anaran’olon-tokana izany fa ho an’ny tombontsoan’ny besinimaro......
Rehefa nanontanian’ny Tia Tanindrazana ny amin’ny tsy mbola hanokafan’ny fanjakana an’ireo haino aman-jery nakatona tamin’ny fitondrana tetezamita nodimbiasan’izy ireo anefa izy dia nanambara fa tsy fantany mazava ny nanakatonana ireo onjam-peo ireo fa hitondray taratasy mazava izy handinihana azy. Raha nanao fanadihadiana tsotsotra tamin’ireo namana efa nisahana andraikitra ambony tao amin’ity minisitera tantanany ity anefa izahay, dia nahafantatra fa ao amin’ny biraon’ny Tale Jeneralin’ity minisitera ity izay tsy niova amin’ny toerany avokoa ireo antontan-taratasy mahakasika izany fanakatonana onjam-peo samihafa izany. Ary iza koa moa no tsy mahalala na dia zaza bodo vao miana-miteny aza fa resaka politika fotsiny tsotra izao noho ny fivoizana hevitra tsy mitovy no tena nanakatonana ireny onjam-peo ireny e ! Ka sao dia ingahy minisitra mihitsy aza no marisarisa, mbola manina ny tongolon’i Egypta tamin’ny firaisana petsapetsa tamin’ny tetezamita ka tsy te hampihatra ny lalàna velona (tondrozotra) mandidy ny tokony hamoahana ireo onjam-peo nakatona rehetra mba hisian’ny fitoniana eto amin’ity firenena ity ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.