Finoana

ONG Fanahy maha olona Hikarakara fotoam-pivavahana iraisam-pinoana


  • Zoma 20 Martsa 2020

Ny sabotsy 21 martsa izao dia hisy ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana izay ho karakarain’ny ONG Fanahy maha olona etsy Antsahamanitra manoloana ny fiparitahan’ny areti-mandringana Coronavirus eto ambonin’ny tany.

 

 

Amin’ny maha tarana-janahary sy mpino an’Andriamanitra anay, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, Ny Rado Rafalimanana, dia anjara biriky ho entinay voalohany ny fiantsoana ny malagasy rehetra tsy an-kanavaka na inona finoany ho tonga eny. Ara-bakiteny ity fotoam-pivavahana ity, raha ny fanazavany, satria na Boudiste na Miozilimanina na Kristianina na inona na inona finoany dia asain’izy ireo avokoa. Mafy nohon’ny fahavoazana ekonomika eran-tany, nohon’ny tamin’ny taona 2008 no hitranga amin’ity, hoy izy, rehefa jerena ny zava-misy. Andao hitodika amin’Andriamanitra aloha vao mijery zavatra hafa. Rehefa mikatona toy izao ny firenentsika dia tsara raha mitodika amin’ny fanomezan-danja ny vokatra eto Madagasikara isika. Mikasika ny fandaminana kosa dia nilaza izy ireo fa ny iriany dia mandray anjara daholo ny finoana rehetra izay tonga ary inoana fa hilamina io satria fitambarana. Tsy mbola eto ny Coronavirus ka tsy hatahorana ny fifamoriana, hoy hatrany ny fanazavany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT