Olana, fahantrana, aretina,…

Mitory vahaolana ara-panahy ny The Preachers


  • Alarobia 13 Septambra 2023

Maro ny olona misedra olana, betsaka no milaza fa tapi-dalan-kaleha sy manana olana saro-bahana, mitady famonjena,

ka mbola misy Andriamanitra izay afaka mijery mitahy, afaka manasitrana, maneho fahagagana,… hoy ny The Preachers nahitana ny Mpitoriteny mirahalahy Luc sy Stéphane omaly tamin’ny valan-dresaka nataon’izy ireo teny IT Station Tsiazotafo omaly. Mandalo fahoriana sy tsy fisiana vola ny olona, mandalo fahasahiranana, ary isan’ny mampikaikaika ohatra ny fidiran’ny mpianatra. Naneho kosa ny The Preachers, fa ny vahaolana aroson’izy ireo dia vahaolana ara-panahy, ka mivoy ny tenin’Andriamanitra, manamafy fa mahery ny herin’ny filazantsara na “puissance de l’evangile”, ary ny antom-pisiany dia hisarihana sy hitaomana ny olona hahafantatra bebe kokoa ny momba an’Andriamanitra. Nanambara fa manoka-baravarana ho an’ny rehetra noho izany ny The Preachers izay manao fotoam-bavaka isaky ny alahady amin’ny 10-12 ora eny amin’ny Espace Milakajy eny amin’ny Mausolée faran’ny zotra 194. Tsy manavaka na iza na iza, na mahantra na manan-katao. Naneho fa misy làlam-pamonjena sy anjaram-pamonjena ho an’ny rehetra. Raha nanontaniana mpanao gazety momba ny fivavahana sy ny politika kosa izy ireo, dia nanipika fa tokony sarahana foana satria tsy misy hidiran’ny politika ny zava-panahy, izay ateraky ny fanahy fanahy, ary izay ateraky ny nofo dia nofo. Mivavaka kosa ho an’ny firenena satria ny fiasan’ny vavaky ny marina mahery, ka raha mandalo sedra ny firenena, dia anjaran’ny The Preachers ihany koa no mitondra am-bavaka ny firenena mba hisy filaminana. “Mpahay toekarena aho, ary ny zava-misy ara-politika, toekarena, jeopolitika eto Madagasikara, dia mahita fa tena sahirana ny Malagasy. Tadiavina daholo izay mety hahatafavoaka, any amin’ny “développement personnel” ve? any amin’ny fivavahana ve? Na any amin’ny zavatra hafa? Ny nahatafavoaka anay aloha dia ny fivavahana ary ny fiasan’ny vavaka ny marina no mahery indrindra. Afaka miaraka sy mifameno tsara ny vavaka sy fahalalana satria tsara ho an’ny fanahy no mahalala, hoy ny Mpitoriteny Luc.
Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT