Finoana

Olana eo anivon’ny Jesosy Mamonjy Manahatahaka ny politika ankehitriny


  • Talata 27 Martsa 2018

Mifanahatahaka amin’ny zava-misy eo anivon’ny tontolo politika Malagasy ny fifidianana filankevi-pitantanana eo anivon’ny fiangonana Jesosy Mamonjy eto Madagasikara.

 
 Raikitra indray mantsy ny disadisa ao anivon’ity fiangonana ity noho ny paipaika napetraky ny filankevi-pitantanana hifehezana ny fifidianana hanendrena ny birao vaovao hisolo azy. Mbola eny amin’ny fitsarana ny raharaha nefa nanapaka ny hirosoana amin’io fifidianana nifampitoriana io ihany ny filankevitra. Nampiakatra ny maripana nisy hatramin’izay eo amin’ny samy mpivavaka ao amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy manerana ny nosy ny famoahan’ny filankevi-pitantanana ny datin’ny fifidianana hanavaozana ny birao ho amin’ny 14 aprily izao. Nivoaka niaraka tamin’io koa ny lisitry ny kandidà 15, nahafeno ny fepetra vaovao vao nasosok’ity filankevitra ity ihany tao anaty lalàm-pifidianana, namerana ny mpilatsaka hofidiana ho tsy maintsy mpitandrina feno 45 taona ary efa niasa 15 taona katroka ka ireo mpikambana efa nahavita fe-potoam-piasana in’efatra nandritra ny 16 taona tao ihany ny 9 amin’izy ireo. Nifandiso tanteraka tamin’ny fitsipi-pitondran’ny fiangonana sy ny lalàm-pifidianana tao aminy anefa ny fanapahan’ny filankevitra sady nisalovanany ny andraikitry ny komity mpanomana fifidianana ka nahatonga ny fifampitoriana teny anivon’ny fitsarana, hampiatoana na hanafoanana izany. Tsy niandry ny didy havoakan’ny mpitsara momba io raharaha io ny 3 sy 16 aprily ho avy izao anefa ny filankevitra fa io nanapa-kevitra io avy hatrany. Mampalahelo fa mitaky fandraisana andraikitry ny fanjakana ny mpivavaka, hisorohana ny korontana izay nisy hatrany nandritra ny fe-potoam-piasan’ity filankevitra ity ary niakaran’ny fiangonana fitsarana natetika. Tsy hahalavorary ny fifidianana rahateo koa ny naneken’ny filankevitra ny fanomezan-dalana mpifidy iray hahazo fahazoan-dalana (procuration) hisolotena  olona an-jatony amin’ny fifidianana.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT