Finoana

Ny Tsantan’Imahamasina Nampiraisin’ny faha-50 ireo Zokiny


  • Alatsinainy 11 Septambra 2017

Nanakoako tao amin’ny FJKM Atsimon’i Mahamasina nandritra ny Tolakandrom-piderana ny sabotsy teo ny hira fiderana nataon’ny Ny Tsantan’Imahamasina Zokiny,

tafiditra indrindra amin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ity amboarampeo eo anivon’ny Fiangonana FJKM Atsimon’i Mahamasina ity. Tsangambaton’ny faha-100 taonan’ny fitandremana Atsimon’i Mahamasina ny Ny Tsantan’Imahamasina (NTI), izay nijoro tamin’ny 1967.  Mananika ny 400 ny mpikambana ankehitriny izay mitsinjara amina sokajy efatra dia ny Tsanta Kely na NTI Zandriny (4-15 taona), Ny Tsantan’Imahamasina (+16 taona), NTI Ray aman-dreny, ary ny NTI Zokiny. Misy amin’ireo mpikambana mandrafitra ity farany no tsy mpiangona intsony ao Atsimon’i Mahamasina fa niova fitandremana noho ny asa aman-draharahany na koa nanorin-tokantrano. Nakamban’ny faha-50 taona indray izy ireo, ka nanolotra hira 15 ny tolakandron’ny sabotsy teo io, niarahan’izy ireo nanomana nandritra ny telo herinandro. Nanotrona azy ireo tamin’io Tolakandrom-piderana io ny tarika Feo Dimy. Hitohy amin’ny alahady 17 septambra ho avy izao ny hetsi-pankalazana ity jobily volamenan’ny Ny Tsantan’Imahamasina ity. Hanamarika izay ny Akoakom-piderana Volamena hataon’izy ireo ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, hiarahany amin’ny Anjomara Anosivavaka sy Ny Koraita Manarintsoa Finoana.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT