Finoana

Ny Mpitandrina Lala Rasendrahasina Filohan’ny FFKM amin’ity taona ity


  • Alatsinainy 19 Janoary 2015

Hotontosaina ny alahady 25 janoary ho avy izao eny amin’ny FLM 67 Ha ny famindram-pahefana eo amin’ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona (EEM) sy ny mpitandrina Lala Rasendrahasina (FJKM) izay ho filohan’ny FFKM indray amin’ity taona 2015 ity. Miova isan-taona moa ny fitarihana ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara na FFKM ka mifandimby amin’izany ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ao anatiny

Asa goavana hotohizana ho an’ny mpitandrina Lala Rasendrahasina ny fampihavanam-pirenena izay efa tonga amin’ny dingana lalindalina koa ankehitriny dia ny fandraisan’anjaran’ireo ankolafin-kery politika sy fikambanana ary ny olom-pirenena manerana ny nosy. Tsy ho mora ny fandaminana sy fandrindrana izany ary tena mila fotoana. Efa nanatsidika ihany ny filohan’ny Fjkm omaly teny Mahamasina fa tsy tokony hahamaika ny fahavitan’ny fampihavanana ary tena mila fitrotroana am-bavaka. Mifanojo indrindra amin’ny fahatongavan’i Marc Ravalomanana (filoham-pirenena teo aloha sady filoha mpanampy ao amin’ny Fjkm) eto an-tanindrazana ny fiakaran’ny mpitandrina Lala Rasendrahasina ho filohan’ny FFKM. Fifanandrifian-javatra ve sa efa fitantanan’Andriamanitra tokoa ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT