Finoana

Nonce Apostolique Mgr Tomasz Grysa no hiasa eto Madagasikara


  • Alakamisy 19 Janoary 2023

Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Nonce Apostolique, Son Excellence Mgr Tomasz Grysa,

omaly 18 janoary 2023 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Izy no Solontenan’ny Fiketrehana masina izany hoe: Ambasadaoron’i Vatican vaovao eto Madagasikara, nisolo ny Mrg Paolo Rocco Gualtieri, izay laza niasa any Pérou. Nanambara ny Nonce Apostolique fa ny Fiketrahana Masina dia vonona hatrany hanamafy sy hanatsara ny fiaraha-miasa amin'ny Firenena malagasy sy hifanome tanana amin'ny Fitondram-panjakana amin'ny fanatanterahana ireo ezaka amin’ny fampandrosoana an'i Madagasikara. Ny Fiangonana Katolika moa dia anisan'ny mitondra ny anjara birikiny amin'ny fitaizana ny vahoaka sy ireo asa fampandrosoana ny Firenena eo amin'ny sehatra maro toy ny fanabeazana, ny fahasalamana sy ireo asa sosialy isan-karazany, hoy ny eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika tamin’ny fampitam-baovao momba ity fanaterana ny taratasy fanendrena ny Nonce Apostolique ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT