Finoana

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny FFKM Miantso ny HCC hamoaka ny marina


  • Alarobia 28 Novambra 2018

Namoaka fanambarana ny avy eo anivon’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM).

 

 

 

 “FFKM miroso amin’ny fahamarinana” no lohahevitra nodinihin’izy ireo nandritry ny komity foibeny andiany faha-41 natao tao Tsiroanomandidy. Ny fahamarinana ao amin’i Jesoa Kristy, hoy izy ireo, no mitondra fiadanana sy fandriampahalemana ho an’ny ankohonana sy ny firenena. Mitarika ady, korontana, fampihorohoroana sy fandripahana, tsy fandriampahalemana ary tsy fifampitokisana eo amin’ny mpiray firenena sy ny mpitondra ny mifanohitra amin’izany, hoy izy ireo. Na dia tsy nirotsaka ho mpanara-maso mivantana ny fifidianana aza ny FFKM dia nandray anjara tamin’ny fanabeazana ny olom-pirenena hifidy kosa. Samy nahita ny tsy fahalavorariana nandritry ny fikarakarana nataon’ny CENI toy ny rehetra, hoy ny fanambarana, ary miantso ny HCC mba hamoaka ny marina kosa. Ankoatra izay, nanentana ny Kristianina rehetra ny FFKM hitondra am-bavaka ny firenena.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT