Finoana

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny FFKM “Atsaharo ny herisetra, mifanatona ny herivelona,…”


  • Zoma 02 Septambra 2022

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina Malagasy) manoloana ireo trangam-piarahamonina manaitra sy manahirana manerana ny Nosy ankoatry ny hamafin'ny vidimpiainana tsy maintsy zakain'ny maro an isa.

Isan’ny notanisain’ny FFKM ny asan-dahalo arahana fakana an-keriny sy famonoana fianakaviana iray tanàna toy izay nitranga tao Ambolotarakely Ankazobe ; fakana an-keriny ireo izay atao an-jorom-bala, fitakiana fitsaram-bahoaka niteraka vono sy fandratrana olona amam-polony ary tsy fandriampahalemana toy izay mitranga ao Ikongo; tsy fahatokiana lalina eo amin'ny mpitondra sy ny entina; tsy fifankahazoana eo amin'ny mpanao politika izay miteraka fiantsiana, fifandrangitana eny amin'ny haino amajery sns. Nanamafy ny Fiangonana anatin’ny FFKM fa fialàna amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny fakàna ain'olona sy famafazana korontana eo amin'ny fiarahamonina. Nitondra fankahetezana sy naneho ny FFKM fa mitondra am-bavaka ireo niharam-boina sy niharan'ny herisetra. Miaraka ory amin'ireo izay namoy havana ary mirary fanasitranana ho an'ireo maratra. Niantso ireo fiangonana ao anatiny kosa ny FFKM hanao tolo-tanana amin'ireo niharam-boina. Miantso ny vahoaka rehetra sy ny manampahefana hampitsahatra ny endrika herisetra rehetra ary samy hanao ezaka hanaja ny aina sy hampanjaka ny fandriampahalemana. Miantso ireo manam-pahefana eo amin'ny fitondrana isan-tokony hampanjaka ny fahamarinana mba hiverenan' ny fifampitokisana eo amin'ny mpitondra sy ny vahoaka. Nampahatsiahy sy nanamafy ny antso efa nataony ny alahady 17 jolay.ny amin'ny tokony hifanantonan'ny mpitondra fanjakana sy ireo hery velona rehetra hifampidinika hijerena ifotony ny olana ary hiara-mientana hitady vahaolana maharitra. Ho an’ny kristianina tsirairay kosa, niantso fandinihan-tena hanakatra ny sitrapon'Andriamanitra ny FFKM manoloana ny faharavan'ny fiadanan'Andriamanitra misy eto amin'ny firenentsika ka hifona, hibebaka ary hihetsika hitory ny filazantsaran'ny Fiadanan'i Jesoa Krísty hamerina izany indray amin'ny isambatan'olona sy ny eo anivon'ny Fiangonana ary ny firenena, hoy ny fanambaran’ity Fiombonan’ny Fiangonana ity tamin’ny alalan’ny Filohany Mrg Ranarivelo Samoela Jaona.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT