Finoana

Nitondra taratasy misy tenin’Andriamanitra : Mpivady voasazy herintaona an-tranomaizina sazy mihantona


  • Sabotsy 27 Martsa 2010

Herintaona an-tranomaizina sazy mihantona. Io no nambaran’ny mpitsara mpamoaka didy ho sazin’ny Tale jeneralin’ny Secren teo aloha, Solohery Hilaire mivady.

Nafahan’ny Fitsarana noho ny fisalasalana kosa ny mpamilin’izy ireo, voarohirohy ho nanao fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana, nanimba fananana, nanohintohina fiandrianam-panjakana araka ny voatondron’ny fehezan-dalàna famaizana ao amin’ny andininy 318. Horakoraka no nandraisan’ny olona, tonga maro nanotrona ny voapanga, ny didim-pitsarana. Tsy nahafapo ny mpiaro kosa ny didim-pitsarana, noho ny fahatsapan’izy ireo fa poakaty ny antontan-taratasin’ady, ka hampakatra ny raharaha amin’ny fitsarana ambony izy ireo. Notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny hadimiana tao Antanimora i Solohery mivady nialoha ny niakarany fitsarana.

Fa nafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana nandritra io fotoam-pitsarana omaly io, saingy tamina dosie hafa, ny zanaka lahimatoan’i Tabera Randriamanantsoa sy ny filohan’ny Filankevi-paritra Vatovavy Fitovinany voarohirohy araka ny voatondron’ny fehezan-dalàna famaizana ao amin’ny andininy 318 ihany koa. Ny lehilahy roa hafa, voasambotra nandritra ny fihetsiketsehan’ny mpomba ny ankolafy telo teo Analakely ny herinandro lasa iny, koa no voaheloka herintaona an-tranomaizina sazy mihantona. Notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny herinandro tao Antanimora izy ireo nialoha ny fitsarana.
Nanao rodobe teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana ny Betsileo nanohana sy naneho firaisankina tamin’ny voampanga. Nisy mpitarika vitsivitsy ao amin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana koa tonga teny Anosy, nanaraka ny fizotry ny fitsarana izay naharitraritra ihany ary niandry ny fivoahan’ny didim-pitsarana, noho izy ireo mahatsiaro fa mahakasika azy ireo ny niampangana an’i Solohery Hilaire mivady, noho ny nahitan’ny zandarin’ny Emmor-Reg «prospectus» misy tenin’Andriamanitra an’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana tao anaty fiaran’izy ireo.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT