Finoana

Nipatitaka ny Advantista Teraka ny S.D.A.R.M


  • Talata 04 Novambra 2014

Nizara ny fiangonana Advantista. Teraka ny “Seventh Day Adventist Reform Movement” (S.D.A.R.M) na ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito “Fihetseham-panavaozana”. Firenena mihoatra ny 150 isa amin’izao fotoana izao no misy azy ity. Ho an’ny eto Madagasikara dia efa misy azy ao Toamasina raha omaly kosa no nampahafantarana ny fisian’ny eto Antananarivo

. Nisintaka tamin’ny fiangonana Advantista ny Fihetseham-panavaozana noho itsy voalohany izay nambaran’ireo mpitarika fa tsy manaraka ny Baiboly sy ny finoana advantista narahina hatramin’izay intsony. Hatramin’ny nisian’ny ady lehibe voalohany no nisian’izany, raha araka ny fanazavan’ireo mpitarika ny Fihetseham-panavaozana ihany. Tanjon’ny fiangonana ny hampahafantatra ny olon-drehetra ny fahamarinana izay voalazan’ny Baiboly raha eo ihany koa ny fanomezana fahasalamana ny tsirairay avy izay miankina amin’ny sakafo hohanina ihany, hoy izy ireo. Hiroso amin’ny fitsaboana ihany koa, araka izany, ny Fihetseham-panavaozana toy ireo vehivavy tsy miteraka, mararin’ny diabeta, lehilahy tsy mahavita firaisana intsony…

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT