Finoana

Nifarana ny JMJ Mada X Irahina hitsangana ny tanora


  • Alatsinainy 05 Septambra 2022

Miisa 28 509 ireo mpivahiny niatrika ny andiany faha-10 tamin’ny Fihaonamben’ny tanora katolika na ny JMJ Mada X tao Antsirabe.

Tamin’ny alalan’ny sorona masina notarihin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara no nanakatona izany. Nivoitra tao anatin’ny hafatra nentiny ny hoe: Irahina ny tanora "hitsangana" sy ho "vavolombelon'ny finoana" eo amin'ny fiainany, hatrany "amin'ny fokontany" mihitsy eto firenena, amin'ny lafiny maro, politika, hiaro ny aina fa tsy hanala zaza, hiaro ny tontolo iainana satria efa "nosy mainty izao ilay nosy maitso fahiny", ho vavolombelon'ny fahamarinana, hiala amin'ny ratsy, tsy ho variana amin'ny lamaody sy ny fitaovan-tserasera sôsialy amin'ny fanaratsiana ny hafa,… Manimba ny mahamalagasy antsika fa indrindra hikatsaka ny tsara, ny tsara mandrakizay, ny fitiavana ny fianakaviana, Jesoa aloha vao ny hafa,... Isan’ny noresahina ny fisarahan’ny fiangonana sy ny Fanjakana na ny “Laïcité” fa ao anatin’ny fiaraha-miasa ho fitsinjovana ny vahoaka izay ondrin’Andriamanitra. Tokony hisaraka ny Fiangonana sy ny Fanjakana, fa hisaraka saingy ao anatin’ny fiaraha-miasa,… Ankoatra izay, “mipetraha handinika hiady sy hanorina; izao JMJ izao dia mampitambatra antsika noho i Jesoa, noho ny herin'ny Fanahy Masina,vavaka mampiombona ity ho entina mitsangana.", hoy ny sombiny tamin’ny hafatra lehibe namaranana ny JMJ Andiany faha-10. I Toamasina indray no handray ny andiany faha-11 amin’ny taona 2026, araka ny nambaran'i Mgr Raoelison Jean de Dieu, filohan'ny CEPAL. . Nanamarika ny famaranana ny JMJ omaly moa ny fanatregan’ny mpitondra fanjakana isan-karazany notarihin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny mpanao politika samihafa toa ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana mivady, ny solotena avy amin'ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM), ny solotena mpikarakara ny JMJ eran-tany hatao any Lisbonne Portugal amin'ny 2023.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT