Finoana

Neny Olga Tanteraka ny faminaniany hoe hifamela ny mpifahavalo


  • Talata 05 Mey 2015

Misaotra an’ireo raiamandreny ara-piangonana sy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny tenako, hoy i Neny Olga, mpitantana ny Toby Kanàna fifohazam-panahy FLM ao Fianarantsoa, tamin’ny finiavana sy fandavan-tena nananan’izy nitarika iny dinika fampihavanam-pirenena natao teny Ivato ny herinandro lasa teo iny. Tanteraka ny faminaniana azoko efa efa-taona lasa izay hoe

 

: tsy maintsy hifamela ireo mpifahavalo ao anatin’ny fampihavanam-pirenena atao ka anisan’ny mandray anjara amin’izany ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Nangina hatreo ireo efa nibatabitaka nilaza fa mpaminany sandoka toy ireo rehetra nisy tamin’ny andron’ny tetezamita aho. Ekena, hoy izy, fa tsy maintsy hisy ireo olona sasany hitabataba sy hanakiana ny fehin-kevitra nivoaka saingy ny fandaharan’Andriamanitra dia ambonin’ny zavatra rehetra ka ny vavaka no atao be dia be mba hahatontosa indray ny fanatanterahana an’ireo hevitra tapaka rehetra tao.


Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT