Finoana

Neny Olga “Ireo mpamela heloka no hisitraka ny fanjakan’Andriamanitra”


  • Alatsinainy 03 Aprily 2017

Nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fisian’ny Paradisa sy afobe ny sabotsy teo teny amin’ny tany malalaky ny lapan’ny tanŕna Analakely i Neny Olga, mpino kristianina avy amin’ny FLM (Fiangonana Loterana Malagasy) monina ao Tsarahasina, distrikan’Ambositra.

 

 Narary teo ambony fandriana tao anatin’ny 8 volana ny tenany teo anelanelan’ny taona 2005 sy 2009 ary nisehoan’i Jehovah isan’andro. Efa maty nandritra ny 36 ora ihany koa ny tenany ny volana jolay 2005, araka ny fitantarany taorian’ny fitsirihana nataon’ny dokotera matihanina avy ao Ankifafa, toeram-ponenana nifindrany. Fe-potoana nandalovany efitrano sy tendrombohitra ary varavarana lehibe 7. Ity farany izay misy ny lanitra ahitana mpiambina anjely miisa roa. Tsy hita maso tahaka an’i Jesoa Zanany ilay Andriamanitra Mpahary izao tontolo izao, hoy ny fitantarany. Mizara roa mazava tsara kosa ny fiainan-ko avy dia ny ilany an-kavia misy ny afobe ahitana ireo olon-dratsy toa an’i Jodasy tsy mankasitraka ny sitrapon’Andriamanitra sy ny Paradisa, ilany an-kavanana misy ireo olon-tsara mankato ny tenin’Andriamanitra, araka ny fanamarihany hatrany. Tsy hisitraka ny fanjakan’Andriamanitra velively kosa ireo tsy mpamela heloka, hoy i Neny Olga. 

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT