Nanozona tao am-piangonana

> Niakatra fitsarana i Marc Tatandraza


  • Alarobia 04 Septambra 2013

Natolotra ny fampanoavana tetsy amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy omaly i Marc Tatandraza, Mpaminany, rehefa notazonin’ny zandary teny Betolongolo nanaovana famotorana ny alatsinainy.

Vesatra niampangana azy ny nanozonany olona tao anatin’ny fiangonana FPPM (Fiangonam-Pifohazam-Panahy Malagasy) etsy Mangarivotra Ampandrana nandritra ny fotoam-pivavahana ny alahady 11 aogositra 2013. Nolazain’ireto mpitory fa nanozona ireo olona tsy mino ny zavatra lazainy i Marc Tatandraza ka nambarany tamin’izany fa afaka telo herinandro dia ho faty izy ireo ary horotidrotehan’ny amboadia ny fatin’izy ireo ary afaka handatsaka afo avy any an-danitra handevona azy ireo eo no ho eo koa izy. Mampalahelo, hoy ireto mpitory izay anisan’ireo mpitarika ao amin’ity fiangonana ity ihany koa, fa tsy mba nitrangan-javatra mahavaka ny saina tahaka izao tao amin’ity fiangonana ity nandritra izay 63 taona nijoroany, hankalazaina ny 12 septambra izany. Ankehitriny noho ny fidiran’i Marc Tatandraza dia nivaky telo be izao ny mpino ao anatiny.

Tsy mitovy velively amin’ny fototra nijoroan’ny fiangonana hatrizay no torian’ity mitonon-tena ho mpaminany mihoatra noho izay mpaminany voalazan’ny Baiboly hatrizay ity sady milaza ho fanahy fa tsy olombelona tsotra ka mijoro manohitra izany izahay. Tanjon’ny fitoriana ataonay, hoy izy ireo, ny hanalana an’i Marc Tatandraza tsy hitory teny intsony ao amin’ny fiangonana FPPM sady tsy handingana intsony ao amin’ity fiangonana ity fa vaky tanteraka ny fiangonanay. Misy koa anefa ireo misalasala tsy mahafantatra izay lalan-kizorana sy harahina ary misy ihany koa ireo mitsangana miaro an’ity mpitarika vaovao notendren’ny foibe any amin’ny toby Mandoa any Mahaiza Betafo ity.  Fantatra moa fa anio alarobia 4 septambra amin'ny 1ora antoandro no hiatrika ny mpitsara mpanao famotorana ity raharaha Marc Tatandraza ity. Nahazo fahafahana vonjimaika avy amin’ny fampanoavana kosa anefa izy am-piandrasana izany.

 

 

Nofy R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT