Finoana

Nanendry Kardinaly i Papa François Tsy ao anaty lisitra i Madagasikara


  • Alatsinainy 10 Oktobra 2016

Miandry fa Malagasy. Nanendry Kardinaly miisa 17 eo anivon’ny Fiangonana Katôlika ny Papa François omaly alahady 9 oktobra 2016, taorian’ny Anzelisy. Avy amina firenena miisa 11 miparitaka amin’ny kaontinanta dimy izy ireo, fa tsy ao anaty lisitra i

Madagasikara na nisy telo voatendry aza avy aty amin’ny kaontinanta Afrikana, dia ny Kardinalin’ny nosy Maorisy, Mgr Maurice Piat, Evekan’i Port-Louis teo aloha ; ny Eveka « émirite » Sebastian Koto Khoarai ao Mohale’s Hoek (Lesotho) ary ny Evekan’i Bangui (Centrafrique) Mgr Dieudonné Nzapalainga. Ity farany no zandriolona indrindra amin’izy 17 voatendry. Ny 13 latsaky ny 80 taona, ary afaka mandray anjara amin’ny fivoriana fifidianana Papa. Banga hatramin’ny 9 janoary 2010 ny toeran’ny kardinaly eto Madagasikara, taorian’ny nahafatesan’ny Kardinaly Razafindratandra Armand Gaetan, teo amin’ny faha-84 taonany. In-droa nanendry kardinaly izao ny Papa François hatramin’ny eo amin’ny Fiketrahana masina tamin’ny 13 martsa 2013, fa tsy ao anaty lisitra hatrany i Madagasikara.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT