Finoana

Namonjy sasak’alin’ny krismasy 12 maty nilatsaham-baratra tao am-piangonana


  • Alatsinainy 27 Desambra 2021

Fiangonana iray no nilatsaham-baratra ny alin’ny sasakalin'ny Krismasy lasa teo tany amin'ny Fokontany Betsipolotra, kaominina ambanivohitra Ankerana Avaratra distrikan'i Tsiroanomandidy.

 Olona 12 isa vokatr’izany no namoy ny ainy tsy fidiny izay niara-nalevina ny faran’ny herinandro teo avokoa. Nialoha ny lamesa maraina tao amin'ny fiangonana katolika tao Andohalo no nitateran'i Mgr Odon Razanakolona ny fisian'io vaovao mampalahelo tany Tsiroanomandidy io. Mbola nanamarina ny fisian'izany vaovao mampahalahelo izany koa ny mpitandro ny filaminana avy ao Tsiroanomandidy, sy ny solombavambahoaka voafidy avy any an-toerana. Tsy nipetraka fotsiny tamin’izao Ny mgr Odon Razanakolona fa tonga nijery ny zava-misy marina tany amin’ity toerana nitrangan’ny loza ity. Tonga nitondra ny teny fampihononana ho an’ireto fianakaviana nanaman-jo iray finoana nilatsaham-baratra taminy izy na dia tao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely aza no sady nankahery azy ireo. Marihina moa fa mbola eo am-panaovana fanadihadiana mikasika ity tranga mampalahelo ity ny mpitandro ny filaminana any an-toerana. Nangonin’i Pati
Legende : Nihampantrampatra tahaka izao ny faty ny alin’ny sasak’alina teo tany Tsiroanomandidy !


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT