Nahitsy ny Filohan'ny FJKM

"Aza mandripaka vahoaka sy mampiasa miaramila hiarovan-tseza"


  • Alakamisy 26 Desambra 2024

Toy ny isan-taona dia nisy ny hafatra krismasy 2024 avy amin'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

na ny FJKM tamin'ny alalan'ny Filohany Mpitandrina Irako Ami Andriamahazosoa. Hafatra niompana tamin'ny hoe: "aza manao krismasin'i Heroda. Nizara 4 mazava tsara izy dia ny hoe: Aza manao Krismasin'i Heroda, Krismasin'ny maty eritreritra, jamban'ny fifikirana amin'ny sezany ka nitady ny fomba rehetra hamonoana lay Fahamarinana; Aza manao Krismasin'i Heroda, Krismasin'ny maty fanahy ka sahy mandainga ankitsirano, mihatsaravelatsihy mahatsiravina, mba tsy hamelana ilay Marina hiseho; Aza manao Krismasin'i Heroda, mihorohoro sao misy manongana, dia nampiasa an'ireo maramilany hamono ireo zaza menavava; Aza manao Krismasin'I Heroda, mpanjaka adala nomem-pahefana, ka aleony ny vahoakany no haripaka hiarovana mafy ny sezany, raha vao reny fa nisy Mpanjaka vao teraka tany Betlehema! Mifono hafatra lehibe inoana fa mifandraika amin'ny fiainam-pirenena ankehitriny io tsy mivantana aza. Miharihary ny tsy fahamarinana eto raha tsy hilaza ny ara-pifidianana saingy iniana fehezina amin'ny fomba rehetra ny marina ary iniana atao fitaovana ny rafitra sy hery rehetra. Miharihary eto ny fitiavam-pahefana sy ny fandrangarangana hery hampifitsaka vahoaka, mandeha ny fisamborana, Ary ny tany atsimon'ny Nosy aza hatramin'ny ankizy nodarohana lakrimozenina tany am-piangonana. Tsy finiavana hitsara fa tena miharihary eto ny tsy fahamarinana, ny famonoana vahoaka mivantana na ankolaka, ny fampiasan-kery noho ny fitoavan-tseza,... Asa Jesoa kristy ve no hiseho vantana hananatra ny mpitondra vao hanaiky? Tena miaina ny finoana ve mpitondra Antsika sa milalao izany?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT