Finoana

Mpitendry zava-maneno ao amin’ny FJKM tranovato Ambatonakanga Hanome aina ny mozika klasika


  • Alakamisy 24 Jolay 2014

Hanatanteraka fampisehoana etsy amin’ny fiangonana FJKM Tranovato Ambatonakanga ireo mpitendry zava-maneno eo amin’ity fiangonana ity ny Alahady 27 Jolay ho avy izao manomboka amin’ny 3 ora sy sasany folakandro

Ny mozika klasika no omena aina amin’izany izay hotendrena sy hohiraina. 14 mianadahy ireo hifarimbona amin’ny fitendrena ireo mozika maro samihafa no sady hanomezana aina ireo sangan’asan’olona ihany koa toy ny trumpet voluntary ( Purcell), ny te deum ( Marc Antoine Charpentier)… Hizara roa miavaka tsara ny fandaharam-potoana, araka ny fantatra. Ny tapany voalohany dia horaisin’ny voamieran’ny zava-maneno niantsoany ny feo mitambatr’Ambatonakanga, tarihin’i Fabrice Razafimamonjy. Ny tapany faharoa kosa dia natokana hanandratana ireo hira OPERA izay arahin-dRamarosandratana Rindra amin’ny piano. Izao no hatao moa dia hanehoan’ny mpikarakara ny fivelarany amin’ny fitendrena ny mozika klasika no sady entina hanomezana fahafaham-po ny mpankafy ihany koa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT