Finoana

Mpitandrina Tiana Alisoa Ranaivoniarivo “Mahitsy, mazava , mifanaraka amin’ny zavamisy iny toriteny iny”


  • Alarobia 18 Janoary 2023

Misaotra ny filoha mpanampin’ny FJKM tamin’ny toriteny nataony teny Antsonjombe, izay biblika, mahitsy sy mazava, mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny ary manaraka tsara ny drafitry ny toriteny fanaon’ny fiangonana “réformée”,

hoy ny mpitandrin’ny Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara etsy Atsimon’I Mahamasina, ny mpitandrina Tiana Alisoa Ranaivoniarivo. Tsarovy ry Kristianina malala, hoy izy, fa tsy natao ho an’ny mpanao politika irery na ny mpitondra irery ny toriteny fa ho ahy mpitandrina, ho an’ny mpitandrina, ho an’ny tomponandraikitra isan’ambaratongany eo amin’ny rafitra, ny Kristianina FJKM iray manontolo ary ho an’ny vahoaka mihaino ihany koa. Samia mandray izay tandrify azy isika mba samy ho voatsindrona am-po dia hibebaka araka ny voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:37. Mampahery ireo mety nihevitra ny tenany ho tafitohina. Izaho mivavaka ho anareo mba tsy ho levona ny finoanareo. Hiasa aminareo koa anie ny fanahy masina mba hampahery anareo ka hahatakaranareo ny fanambaran’Andriamanitra ny tenany avy amin’ny tenin’Andriamanitra izay notoriana. Ho antsika rehetra, aoka I Kristy Jesoa, ilay nitsangana tamin’ny maty sady ivon’ny toriteny notenenin’Andriamanitra tonga nofo no tazana sy ho voaray amin’ny toriteny fa tsy “ny omby” no ho tadidy sy raikitra ao an-tsaina ka rehefa anontaniana isika hoe “inona no voarainao tamin’ny toriteny dia hamaly isika hoe “esory ny omby tondraka!””. Ary izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana, hoy ny Asan’ny Apostoly 2:42, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT