Finoana

Mpitandrina Tiana Alisoa Ranaivoniarivo Hampahafantatra ny zava-miafin’ireo fakana an-keriny


  • Talata 07 Jona 2022

Anio talata no fotoana hanasan’ny mpitandrina Tiana Alisoa Ranaivoniarivo izay mpitondra fivavahana etsy amin’ny FJKM Atsimon’i Mahamasina ao amin’ity fitandremany ity ireo izay

te hamantatra ny zava-miafin’ireo fakana an-keriny miseho lany eto amin’ny firenena ankehitriny. Manana adidy aho, hoy ity mpitandrina ity, hampahafantatra anao ny zava-miafina ao ambadik’izao zava-doza mifono asan’ny maizina sady mampihorohoro izao. Hanoro anao ny vahaolana hiatrehana izany araka ny soratra masina aho, hoy izy. Hisy araka izany ny fampianarana sy fanazavana ara-baiboly ho entiny momba izany mandritry ny ora iray sasany manomboka anio tolakandro amin’ny 12 ora, hoy ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT