Finoana

Mpitandrina Tiana Alisoa Ranaivoniarivo “Franc maçon” ny ankamaroan’ny mpitondra eto


  • Alatsinainy 22 Mey 2017

Ny mpitandrina Tiana Alisoa Ranaivoniarivo no vahinin’ny fandaharana “Vahaolana” tao amin’ny onjampeo Top Radio (F.m 102.8) omaly tamin’ny 1 ora tolakandro.

 Nahafantarana ity mpitandrina ity moa ny fanadihadiana manokana nataony mikasika ireny fikambanana miafina (société secrète) ireny. Noresahany omaly ny mikasika ny fahitany ny Franc maçon sy ny manodidina azy. Nohazavainy fa fikambanana miafina izy ity ary manana tanjona ny hifehy izao tontolo izao amin’ny lafiny rehetra. Tia firahalahiana ny mpikambana ao anatiny saingy firahalahiana miitatra amin’ny antsoina hoe “complot” (firaisana tsikombakomba) ary miafara amin’ny atao hoe “conspiration” (firaisana tsikombakomba avo lenta). Misy idiran’izany, hoy izy, ny fisitrahan’olom-bitsy ireny aferana andramena sy ny tariny eto amintsika ireny. Azo antoka fa mpikambana ao ny mpitondra eto amintsika matoa ao amin’ny hotely Carlton no horaisina ny fihaonamben-dry zareo ny 24 ka hatramin’ny 27 mey izao. Maro, raha ny fanazavany, ireo rafitra iraisam-pirenena baikon’io fikambanana io. Mampametra-panontaniana  ny maro tokoa aloha hoe fa : nahoana ary  ireo firenena vatsian’ny banky iraisam-pirenena sy ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) no tsy misy mandroso mihitsy ankehitriny ?

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT