Finoana

Mpitandrina Roger Randriamorasata “Sarintsarina fampihavanana no tadiavina atao eto”


  • Zoma 27 Jona 2014

Nanamafy ny mpitandrina Roger Randriamorasata, araka ny resaka nifanaovana taminy fa tsy mbola vita mihitsy ny fampihavanana eto amintsika

Tsy rava akory ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, hoy izy fa miasa mangina fotsiny. Niresaka, nananatra, nihaino ny mpitondra izahay ary miandry izay hataony. Zavatra tsy azo ihodivirana ny fampihavanam-pirenena, hoy izy. Ekena fa misy ny rafitra najoro hanao ny fampihavanana saingy, tsapa fa sarintsariny ihany io atao io fa tsy tena izy, hoy ny mpitandrina Roger. Misy ny fahadisoan-kevitra lehibe amin’ilay hoe mamerina na manome hasina ny kolotsaina Malagasy, hoy izy. tsy midika izany fa manao zavatra hafahafa na manompo sampy sanatria, fa kosa miverina amin’ilay loharanon’ny fahendrena Malagasy. Voalohany amin’izany ny tahotra an’Andriamanitra, ny fanajana ny ray aman-dreny sy ireo olom-pady, ary ny fifanajana eo amin’ny tsirairay. Nohamafisiny fa na dia sarotra aza ny raharaham-pampihavanana dia tsy maintsy atao ary rehefa atao dia atao tsara amin’ny fo madio fa tsy misy fihatsarambelatsihy na lolom-po. Toherin’ny Hetsiky ny mitondra Fivavahana ny sarintsarina fampihavanana tadiavina atao eto sy ny fanitsakitsahana ny marina, miasa mangiana izahay ary tsy maintsy manohy ny asam-pampihavanana  efa natombokay, hoy izy ary atao araka ny sitrapon’Andriamanitra izany fa tsy araka izay maha metimety ny olombelona.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT