Finoana

Mpitandrina Randriamalalaharisoa Jules mivady Manamarika ny jobily 47 taona niasany tamin’ny Fjkm


  • Alatsinainy 02 Jona 2014

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny jobily ivon’ny fankalazana ny faha-47 taona niasan’ny mpitandrina Randriamalalaharisoa Jules teo anivon’ny finoana Fjkm sy ny faha-18 taona nitandremany ny fiangonana Fjkm Ambatondrazaka Fitiavana.

Ny faran’ny volana mey teo dia nisy ny fotoam-bavaka lehibe notarihan’ny Fjkm foibe sy ny Synaodam-paritany nentina nanamarika io jobily lehibe io. Tsangambato lehibe no hoentin’ny mpino kristianina ao amin’ny fiangonana Ambatondrazaka Fitiavana hankasitrahana ny zava-bitan’ny mpitandrina Randriamalalaharisoa Jules mivady, dia ny fanolorana trano ho azy ireo miaraka kojakoja ilaina amin’ny fandraisana vahiny. Tany novidian’izy mivady any Talata Volonondry no nanorenana izany trano izany ka amin’ny fotoana handehanan’ny mpitandrina misotro ronono ny 18 janoary 2015 no hanolorana amin’izy ireo ny trano. Ny 2 novambra 2014 no famaranana ny taon-jobily raha tamin’ny 2 martsa 2014 ny jobily santatra.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT